Depiote Rajerison Antoine: “Aleo handeha fa aza ahemotra ny fifidianana”

“Mbola miteny izahay ary mangataka hoe alefaso ny fifidianana filoham-pokontany, ary aleo handeha ny fifidianana ben’ny Tanàna fa aza ahemotra. Tsy tokony hahemotra intsony io, fa tokony hapetraka sy halamina izay rehetra misy olana”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny tsy miankina Fivoi, Randriamampianina Rajeri­son Antoine, manoloana ny hoe mety hanemorana ny fifidianana ben’ny Tanàna. Aminy, fanambaniana ny rafitra eny ifotony ny fanemorana ny fifidianana, ary fanambaniana tanteraka ihany koa ny fametrahana ny solontenan’ny vahoaka eny ifotony. Ny taratasy fanamarinana ny fandoavan-ketra no olana goavana mahatonga ny olona vitsy mandrotsaka ny firotsahan-kofidina.
Tsy tokony hotakina ny hetra, fa tokony ho zo sy andraikitra ary adidin’ny olona rehetra ny mandoa izany. Nefa tsy misy ary tena ambany ny tamberina fandoavan-ketra: tsy misy ny fampandrosoana ifotony vita hatramin’izay, lasa marisarisa sy kamo mandoa hetra ny olona. Raha hita misongadina sy azo tsapain-tanana izay, mihazakazaka sy milahatra mandoa hetra ny olona ary niditra ny vola amin’ny fanjakana. Sahirana amin’ny tamberin’andraikitra amin’izay andraikitra nomena azy ny fanjakana. Lasa kamo koa ny olona mandray andraikitra sy mamita ny adidiny amin’ny fandoavan-ketra. Sahirana sy tsy manam-bola ny olona, lasa sakana sy vesatra ho an’ny kandidà ny fitakiana hetra. Sady tsy hetra herintaona no takina, fa hetra mandritra ny efa-taona takina indray mandeha. Ny hetra farany ambany no tokony hotakina, fa sahirana sy tsy manam-bola ny olona.

R. Nd.

Partager sur: