Notokanana ny sabotsy teo ny fanavaozana ny EPP Ambohimahitsy, anatin’ny kaominina Ampitatafika. Nandray an-tanana ny asa ny Lions club Antananarivo Iarivo. “Efa simba sy potika vokatry ny natiora sy ny fahelan’ny taona ny sekoly ka hitondra vokatsoa ny fanavaozana azy”, hoy ny talen-tsekoly, nandritra ny lahateniny. Nasiam-panavaozana ny dalazy sy ny varavarankely ary nolokoina ihany koa ny rindrina rehetra, atiny sy ivelany. Tanjona ny hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana eny an-toerana. Ankoatra izay, notolorana dabilio 15 sy tahon-tsaina vaovao ihany koa ny sekoly. “Efa mifanesika ireo ankizy mipetraka isan-dabilio satria mahatratra efatra izy ireo no miray toerana amin’ny dabilio iray”, hoy ny ben’ny Tanàna Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Hiezaka hanolokolo ny fitaovana sy ny fotodrafitrasa rehetra misy izy ireo, raha ny fanazavana hatrany. Hanatsara ny lafiny fanabeazana. “Hanana fahendrena sy hampitombo fahalalana ary hanatratra tanjona ho lasa olom-banona ny ankizy rehetra eo anivon’ny fokontany Ambohimahitsy, manoloana ny fotodrafitrasa nohavaozina”, hoy i Tahiry Hanitriniala, chef Zap Ampitatafika, nandritra ny lahateniny. “Ny fampianarana no laharam-pahamehana indrindra satria mandrafitra ny hoavin’ny ankizy izany”, hoy hatrany ny ben’ny Tanànan’Ampitatafika. Nambarany fa tsy azo atao hentitra be ny fampianarana satria tombontsoan’ny ankizy no tadiavina. Marihina fa nanolotra fitaovam-pianarana, toy ny kahie sy boky ho an’ny EPP eto Antananarivo ny avy amin’ ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Anisan’ny nahazo izany ny EPP 10 eo anivon’ny kaominina Ampitatafika.
Mino