Notanan’ny mpitandro filaminana atao fanadihadiana ny tompon’ny kaonty sandoka amin’ny facebook “Rambo III”, afakomaly. Mpandray anjara mivantana amin’ny fanadinana ho mpianatra zandary io lehilahy io. Vokatry ny fikarohana nataon’ny zandary, fantatra fa misy kaonty sandoka manaparitaka ny valin’ny laza adina hanadinana ireo mpiadina amin’io fifaninana hidirana ho zandary io. Nosamborina teny amin’ny toeram-panatanterahana fanadinana teny Nanisana, araka izany, io lehilahy voarohirohy io. Niaiky heloka izy fa mpiandraikitra sady nanangana io vondrona anatin’ny kaonty hosoka io. Hifampiresahin’izy ireo samy mpiadina mitovy toeram-piaviana no anton’ny nananganany ny kaonty, raha ny fanazavana nomeny ny zandary. Nijery telefaonina tao amin’ny efitrano fanaovana fanadinana izy ka hitan’ny mpanara-maso.
Tsiferana R.