FANTINA sy FINTINA

Nitsidika an’i Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa, nihaona tamin’ireo manampahefana sy olom-boafidy izy. Nisy koa ny fihaonany tamin’ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Atitany: lehiben’ny distrika, lehiben’ny boriborintany… Nisy toromarika nomena ho amin’ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny fitantanana lafin-tany, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana.
Nilaza ny filohan’ny antoko Tim teo aloha, Raharinaivo Andrianatoandro, teny Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro teo, fa mankasitraka sy manohana ary mampirisika ny firotsahan’ny kandidà tsy miankina, Randrianarisoa Penjy, ho ben’ny Tanànan’ny kaominina Ivato noho izy miasa ho an’ny vahoaka. Fitsinjovana ny vahoaka no nataony ho ambony noho ny politika amin’izao firotsahany izao indray.
Nanatontosa fiofanana momba ny arofenitra teny amin’ny foibe toeran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, ny faran’ny herinandro teo, ny mpiandraikitra ny arofenitra eo anivon’ny fiadidina ny Repoblika. Natao izany ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo, indrindra ho fiomanana amin’ny fandraisan’i Madagasikara fihaonana sy fivoriambe iraisam-pirenena maro samihafa.
Anio no hanafenana ny andriana, Rama­nam­bitana Richard, eny amin’ny fasan-drazany Tsitakondaza (PK 52- RN 4). Amin’ny 10 ora maraina no hiala eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Analakely ny nofo mangatsiakany, ary entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra eny amin’ny FJKM Fenoarivo, mialoha ny hanafenana azy.

Partager sur: