«festival du rire Jôkôsô»: samy afapo ny fianakaviamben’ny hatsikana

Mivoatra ary miha matihanina hatrany ny hetsika « festival du rire Jôkôsô ». Taratra izany nandritra ny fampisehoana namaranana ny hetsika, omaly. Nanome ny tsara indrindra avy aminy ny mpandray anjara.

Tontosa omaly, teny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana nanakatonana ny «festival du rire Jôkôsô», andiany fahefatra. Malagasy mpanao hatsikana, samy manana ny maha izy azy, miisa folo no nifandimby niaka-tsehatra nandritra ny fampisehoana. Samy afapo ny rehetra, na ny mpanakanto, na ny mpijery. Tratra ny tanjona amin’ny ankapobeny ho an’ny mpikarakara, ny hanambatra ho iray ny tontolon’ny hatsikana eto Madagasikara sy ny mpiangaly izany.

Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny hatsikana, ny teny amin’ny CCEsca Antani­me­na, omaly. Nafandimby nampitokelaka ireo mpijery tonga teny an-toerana ry Francis Turbo, Gothlieb, Dadavy, Etsetra Etsetra, Hery Artist, Lanja Babeine, Aina Maharavo, Ely Nomejanahary, Tsiresy Radilofera ary Raytra Belaw’yck. Samy naneho ny maha izy azy ireto mpandray anjara ireto nandritra ny seho miavaka ho an’ny mpijery. Tsapa ho mbola manana mpankafy ireo mpanao hatsikana tranainy sahala amin-dry Gothlieb, Françis Turbo ary Dadavy. Zary voataiza tamin’ny karazana hatsikana tranainy ny mpankafy ka sahirana mandre ny karazana hatsikana ataon’ireo malaza ankehitriny, sahala amin-dry Lanja Babeine, Aina Maharavo, Raytra Belaw’yck.
Ankoatra ny seho maro samihafa, nanomezana fahafaham-po ireo mpankafy, nisy ihany koa ny atrikasa sy fiofanana ho an’ireo mpanao hatsikana vao misandratra. Teo ihany koa ny fifampizarana teo amin’ireo efa manana ny maha izy azy. Tanjon’ny hetsika ny hampivelatra ny hatsikana sy ny mpiangaly izany ary nezahina nafantoka tamin’izany ny seho rehetra nandritra ity andiany fahefatra ity.

Lin

Partager sur: