Fitsarana : hamoraina ny fahazoan’ny kandidà izay taratasy ilainy

Kandidà 9 manerana ny kaominina 1697 no efa nametraka taratasy filatsahan-kofidina hatreto, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Ceni. Anisan’ny miteraka resabe ny fahasarotan’ny fikarakarana sy ny fakana ny antotan-taratasy ilaina amin’izany eny anivon’ireo biraom-panjakana manome izany.

Tena navahina ho an’ireo mpirotsa-kofidina: napetraka sy milaza manokana izy ireo hoe mangataka taratasy fitanisan-tsazy (Ca­sier judiciaire) sy soratra fanamarinana ny fizakana zom-pirenena. Izay raha fintinina ny fanazavan’ny lehiben’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo, Me Herinatre­hana Inham Ella, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fahazoan’ny mpirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Tsy maintsy misy taratasy fangatahana ny fahazoana an’ireo taratasy ireo. Misy ny fiandrasan-draharaha eo anivon’ny fitsarana amin’ny fandraisana fangatahana antontan-taratasy ilaina amin’izay firotsahan-kofidina izay.
“Ao anatin’ny fotoana mahabetsaka olona eo anivon’ ny firaketan-draharaha izao”, hoy izy. Tsy latsaky ny 1 500 isan’andro ny fangatahana miditra. Arakaraka ny fandehan’ny asa ny fahazoana an’izay: mety ho roa andro, ohatra. Voatery naka olona hamita ny asa ny firaketan-draharaha mba hanafainganana ny fanomezana an’ireo taratasy ireo. Alefa any amin’ ny lehiben’ny fikaretan-draharaha ny fangatahana taratasy fitanisan-tsazy ary any amin’ ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny taratasy fanamarinana fizakana zom-pirenena.
Izay misy fitsarana ambaratonga voalohany dia azo hanaovana fangatahana ny taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena avokoa. Tsy manatona mpijirika amin’ izany, fa mivantana any amin’ ny tomponandraikitra misahana ny fanomezana izany.
Mifarana amin’ny 19 septambra ho avy izao ny fanaterana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, raha tsy misy ny fiovana na fanemorana.

R. Nd.

Partager sur: