Halatra omby : dahalo roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo telo lahy mpangalatra omby tao Ankazomiriotra, ny 13 septambra teo.

Nifoha maraina toy ny mahazatra ny tompon’omby vao nahatsikaritra fa tsy tao intsony ny fananany. Nampandre ny zandarimaria miasa ao an-toerana avy hatrany izy. Nanao fanarahan-dia sy nijery tamin’ny tanàna manodidina ny fokonolona. Naharay antso ny zandary fa misy olona roa mandroaka omby telo any amin’ny lalam-pirenena faha-34, Matielona, kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo, tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Nampita ny vaovao tamin’ny zandary miasa ao Betafo momba io tranga io ny avy ao Ankazomiriotra. Nifanehatra tamin’ireo olona nitondra omby ireo mpitandro filaminana ireo tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy. Nitifitra izy ireo ka namaly ny mpitandro filaminana. Vokany, niara-namoy ny ainy, noho ny tifitra nahazo azy, ireo roa lahy. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana lalina, noraisim-potsiny ny dahalo roa lahy niray tsikombakomba tamin’ireo maty voatifitra ireo. Nanolotra ny omby avy ao Ankazomiriotra ireto azo sambo-belona ireto. Mitohy ny ady ataon’ny zandary amin’ny mpangalatra omby sy ny asan-dahalo anatin’io kaominina io sy ny manodidina. Naverina amin’ny tompony ireo omby telo nokasain’ireo dahalo nentina.

Tsiferana R.

Partager sur: