INDRAY MIJERY

Nihaona tany Taolagnaro, ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra ao amin’ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam). Nanao ny tombana ny asa vita ho an’ny enim-bolana voalohany ta­min’ity taona ity izy ireo. Fotoana ihany koa nitsidihina ny toerana fitahirizana tsakafo any an-toerana.
Nandritra ny fitsidihan’ny ekipan’ny
mi­nisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tany Tsihombe- Androy, nesorina teny amin’ny toeram-pivarotana fanafody avokoa ireo fanafody lany daty sy fanafody tsy natao hamidy fa tokony hositrahin’ny vahoaka maimaimpoana. Nojerena ihany koa ny taratasy fahazoan-dalana hisokatra.
Nihaona tany Sambava ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Holafitry ny farmasianina sy ireo mpivarotra fanafody any an-toerana. Nisian’ny fifanakalozan-kevitra sy fisokafana tamin’ireo tanora vao misandratra eo amin’ny fivarotana fanafody ny fihaonana. Nam­pa­ha­fantatra ny zava-misy eny ifotony sy ny olana sedraina amin’ny asa ihany koa ireto farany.
Mampahatsiahy ny Fandaharanasam-pirenena misahana ny ady amin’ny raboka fa mila mailo raha vao mikohoka mihoatra ny 3 herinandro na lehibe na ankizy. Mety ho fisehoan’ny aretina raha miha mahia am-pitoerana, tsy mazoto homana, mikoha-maina… Mai­maimpoana ny fitiliana sy ny fandraisana an-tanana ary ny fanafody ka ny fanatonana tobim-pahasalamana no vahaolana.

Partager sur: