Kaominina Ankadinondry : mpisoloky manao fanamiana miaramila

Nisandoka andraikitra, na­nao fanamiana tsy ara-dalàna, ka nosamborin’ny zan­dary ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Manarin­tsoa, kaominina Ankadinondry, ny sabotsy 14 septambra teo. Nitonon-tena ho mpitandro filaminana, nanararao-pahefana, tao amin’ny trano fisotroana tao Bejofo io lehilahy io. Lasibatra tamin’izany ny raim-pianakaviana iray monina ao Manarintsoa. Nosolokian’io lehilahy io ary norahonany ilay lasibatra. Nidina ifotony ny zandarimaria nanao ny fanadihadiana sy nanangom-baovao momba ilay voalaza ho mpisoloky. Nentina natao famotorana ity voasaringotra tamin’ny fanambakana olona ity. Nosavaina ny taratasy rehetra izay nirakitra ny mombamomba azy. Voamarin’ny zandary fa mpisoloky io lehilahy io. Tsy anisan’ny mpitandro filaminana izy. Tsy vitan’izay, nihazona fanamiana mpitandro filaminana koa izy. Hoentiny manao ramatahora ireo rehetra izay solokiany izany. Nogiazan’ny zandary io fanamiana io. Nentina natao fanadihadiana alohan’ny hanolorana azy eny anatrehan’ny fampanoavana ity lehilahy ity.

Tsiferana R.

Partager sur: