“King of JJB” : Nisongadina ny klioban’ny Chekmat

Tontosa omaly, teny amin’ny Immeuble Soa Center Soanierana, ny fifaninanana “King of JJB”, taranja Jiu-Jitsu Breziliana. Fifaninanana no­karakarain’ny Estrella Team ho fankalazana ny faha-12 taonan’ny klioba ity notontosaina ity. Klioba 7 no tonga namaly ny antso ka nisongadina ny klioban’ny Chekmat izay nandrombaka ny fandresena teo amin’ny Violette-Marron-Noire, tamin’ny alalan’i Andy. Mbola nandrombaka ny am­boara ihany koa ity klioba ity, teo amin’ny sokajy vehivavy, tamin’ny alalan’i Nofy. Teo amin’ny Bleu sy Blanche kosa, nahazo ny fandresena i Mi­kaia, avy amin’ny klioban’ny Southside. Klioba nandray anjara ny Atilla, ny Combat Club 101, ny Checkmat, ny Estrela Team, ny Onetribe, ny Southside ary ny JJB Esca. Tsiahivina, nahatratra 34 ny mpandray anjara nandritra izany, ka nifaninana teo amin’ny Bleu sy Blanche ny 26 tamin’izy ireo. 3 kosa ny vehivavy mpifaninana ary 5 ny teo amin’ny Violette-Marron-Noire. Azo lazaina ho tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara ary afapo ireo mpandray anjara. Nahazo lelavola 500 000 Ar ny mpandresy tamin’ity fifaninanana “King of JJB”, nankalazana ny faha-12 taonan’ny Estrella ity.

Mi.Raz

Partager sur: