Kolontsaina sy soatoavina : miezaka mitana ny maha izy ny kabary ny Mpikalo

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-19, «Dominique Savio» ho an’ny avy eo anivon’ny fikambanana mpikabary katolika (Mpikalo). Miisa 510 no nandrafitra ity andiany ity. Ankoatra ny fitandroana sy fanajana ary fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy, tan­jon’ny Mpikalo ny hanandratana ny maha kristianina sy ny fitaizana ireo mpikambana ao anatiny.
Zavakanto sy kolontsaina malagasy miroborobo ankehitriny ny kabary. Zary lasa mivaona indray ary ny sasany amin’izy ireny, na dia nandalo fandalinana sy fampianarana momba ny kabary aza. «Variana any amin’ny kabary miady rima sy hatsikana fotsiny ny sasany amin’ny mpikabary ankehitriny ka very ilay maha kolontsaina sy soatoavina mila tandremana», hoy Rakotomalala René, filoha nasionalin’ny Mpikalo. Izany indrindra no ezahin’ny tomponandraikitra, indrindra ny avy eo anivon’ny Mpikalo ifantohana misimisy kokoa mba hametrahana tsara ilay kabary sy tsy hahapotika azy.
Miofana madritra ny 9 volana. Ankoatra ny Baiboly sy ny maha kristianina, mandalina ny taranja maha Malagasy, ny kolontsaina sy ny riba ary ny fomba, ihany koa ireo mpiofana. Marihina fa hankalaza ny faha-20 taona nijoroany ny fikambanana amin’io taona ho avy io.

Lin

Partager sur: