Lasa ny taolan-dava… : naparitak’ireo jiolahy ny razana tao am-pasana

Fahasahiana! Izay no azo ilazana ny fihetsika nasehon’ireo olon-dratsy tompon’antoka tamina vaky fasana tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambodihasina, fokontany Ambahivahikely kaominina ambanivohitr’Anketrakabe, distrikan’Antsiranana II, ny sabotsy 14 septambre 2024 teo. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ambahivahikely ny zandary momba ny fahavakisan’ny fasana iray ao amin’ny faritra iadidiany. Nidiran’olon-tsy fantatra ny fasam-pianakaviana iray ao amin’ity tanàna ity. Nidina teny an-toerana misy ity tranga ity ny zandary ka voamarina tokoa izany fahavakisana fasana izany. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary, efa nisokatra ny fasana. Lasan’ireo jiolahy ny taolan-dava an’ny razana iray nalevina herintaona lasa izay, araka ny tatitra nampitain’ny fianakaviana tamin’ny zandary. Nakorontan’ireo jiolahy avokoa ny taolana rehetra tao am-pasana. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitandro filaminana, efa nomena ny fianakaviana ireo taolana rehetra naparitak’ireo olon-dratsy. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Sakaramy.

J.C

Partager sur: