Nikasa hivarotra olona: mpangala-jaza tratra teny Mahitsy !

Voasambotry ny zandary ny mpangala-jaza teny Mahitsy Ambohidratrimo. Miisa telo mianadahy izy ireo saika hivarotra ankizy, izay efa nifampitadiavan’ny fianakaviany.

Telo mianadahy voasaringotra tamin’ny raharaha hala-jaza niseho tao amin’ny distrikan’Ambohidra­trimo, ny 13 septambra teo. Naharay fitarainana ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa hita any amin’ny vehivavy iray tao amin’ny fokontany Ambohimilemaka,  kaominina Mahitsy, ny zaza iray nifampitadiavan’ny fianakaviany. Na­tao famotorana io vehivavy ni­hazona ilay zaza io. Nanazava tamin’ny fakana am-bavany azy io ramatoa io fa nangalarin’izy ireo tokoa ilay zaza. Tsy izy irery, niara-niasa tamin’ny olona mianadahy hafa izy. Nokasaina hamidy teto an-dRenivohitra io zaza nangalarina io, saingy nitsoaka ireo olona roa vantany tafakatra teto Antananarivo. Nanao vela-pandrika hisamborana ireo olona voatonona anarana ireo ny mpitandro filaminana.

Tsy afa-nandositra
Nanao ny angom-baovao rehetra mifandraika amin’ny zava-nisy ny zandary. Tratra tao amin’ny tanàna iray anatin’ny kaominina Ambohidra­trimo, ny olona roa. Tsy afa-nitsoaka ny mpitandro filaminana intsony ireto mpivarotr’ olona. Nentina nihazo ny biraon’ny tobim-paritra Ambo­hi­dratrimo izy telo mianadahy. Naverina eny anivon’ny fianakaviany ilay zaza.
Marihina, fotoam-pidiran’ny zaza an-tsekoly amin’izao fotoana ka ilaina hatrany ny fahamailoana ahafahana misoroka ny tranga toy izao. Andrasana ny voka-panadihadiana azy telo lahy.

Tsiferana R.

Partager sur: