Mandroso ny asa fanarenana ny lalam-pirenena, RN 3A, miainga eo Vohitraivo mankany Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, mirefy 45 km. Nitsidika ny fizotry ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, sy ny mpiara-miasa aminy, ny 13 septambra teo. Hita fa nisy fiovana sahady ny zava-misy satria nihena 50% ny fotoana lany. Vita hatrany amin’ny 35% ny asa, izany hoe, manodidina ny 35 km. Misy ny asa fandrakofana godirao, misy ny hatao « béton » ary misy koa ny tetezan-kazo ho soloina « béton ». Avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (Fond routier) ny vola hanaovana ny asa.
Nanome toromarika manokana ny teknisianina sy ny tomponandraikitry ny tsenambaro- panjakana ny minisitra Rafidison Richard Théodore ny tokony hijerena akaiky ny asa fanatsarana fanampiny mba ho vita mandritra izao fanamboaran-dalana izao.
Notsidihina koa ny lalana manodidina ny farihin’Alaotra, manomboka any Ambatondrazaka hatrany Vohitraivo, amin’ ny lalam-pirenena RN 44 avaratra sy ny RN 3A.
Miandry ny any Anosibe An’ala
Etsy ankilany, mampitaraina ny mpampiasa lalana efa an-taona maro ihany koa ny miainga eo Moramanga mankany Anosibe An’ala (RN 23A), mirefy 72 km, izay ataon’ny kamiao ao anatin’ny roa andro. Nohamafisin’ny minisitry ny Asa vaventy tany Andilamena rahateo ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fampandrosoana ny faritra Alaotra Mangoro.
Njaka A.