Sombim-baovao

Tontosa teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny andiany fahefatra, amin’ny Xtrême Combat, taranja kick-boxing. Firenena vahiny 4 no tonga nandray anjara, niaraka tamin’ny ekipa malagasy, nahitana an’i Frantsa, La Réunion, Mayotte ary i Maurice. Nisongadina ny Malagasy mpikatroka.

Nanomboka omaly, ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B, taranja basikety. Anisan’ny efa nifaninana, omaly, ny UBT sy ny Blade BMBC, sokajy Vétérans, lehilahy. Teo ihany koa ny AmbatobE sy ny Black Star, teo amin’ny sokajy Seniors.

Laharana faha-5 sy faha-7 no nisy ny Malagasy mpikatroka, i Ayrton sy i Fabio Lee, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika U21, taranja karate, izay natao tany Tunisie. Niatrika ny fiadiana ny medaly alimo ihany koa i Fenosoa, saingy resy nanoloana ny mpifanandrina taminy, teratany Alzeriana.

Partager sur: