Taekwondo – Seksiona Ambohidratrimo : mpikatroka 66 nifanintsana tetsy Ivato

Notontosaina teny amin’ny Esca Para RFI Ivato ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, seksiona Ambohidratrimo, sokajy zandriny sy zokiny, Sénior, lahy sy vavy. Miisa 66 mianadahy ireo mpikatroka tonga namaly ny antso teny an-toerana. Avy amin’ny klioban’ny Esca Para sy ny ETAA izy ireo.
Nisongadina tamin’izany ny mpikatroka avy amin’ny Esca Para, mpilalao 22 ta­min’izy ireo no nahazo ny laharana voalohany isan-tsokajy. Izay roa voalohany ta­min’ity fifanintsanana ity no miatrika ny fifaninanan’ny ligin’Analamanga, izay hatao ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, manomboka ny 5 hatramin’ny 7 oktobra ho avy io. Ankoatra izay, nisy ny fanazaran-tena miaraka natao mialoha ny fifanintsanana.
Tsara ny mampahafantatra fa seksiona roa, Anta­nanarivo Renivohitra sy Am­bohidratrimo, izay no efa nahatontosa fifanintsanana raha toa ka efa miomana amin’izany ireo telo ambiny. Anisan’izany Atsimondrano sy Avaradrano ary Manjakan­driana.
Tsiahivina fa tonga nanatrika ity hetsika ity, teny an-toerana, ny filohan’ny Fede­rasiona malagasin’ny Tae­kwondo (FMTKD), Rakoto­manana Franck Tiana, sy ireo ekipany ary ny lehiben’ny li­gin’Analamanga, Ranjavolo­lona Julie Claudette. Ampa­hatsiahivina ihany fa ny volana oktobra ho avy io, hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany any Korea, i Mada­gasikara.

F.R

Partager sur: