TARATRY ny KANTO

“Taste of The Sun”, horonantsary fanadihadiana voafidy handray anjara amin’ny “Sotambe Zambia International Film Festival” hotontosaina any Lusaka, Zambia, ny 20 hatramin’ny 27 septambra. Notontosain’i Ary-Misa Rakotobe izy ity, izay mifototra amin’ny fiompiana osy any Androy. Handeha ihany koa mandritra ny “International Heritalge Filma Festival” any Portugal ity horonantsary ity.
“Ivenco Night, House music”. Mety efa fahita sy fanao any ivelany, saingy voalohany kosa no nisy teto Madagasikara ity hetsika ny alin’ny zoma teo ity, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Tsy mitovy amin’ny alim-pandihizana mahazatra satria nampiakarina lenta avo zato heny izany, niarahana tamin-dry DJ Sakay, Deevajay ary DJ ShinChan. Fitaovana raitra, fety tsy nanampaharoa no nitranga tao.
“Madagasikara lovako”, hetsika ara-javakanto karakarain’ny fikambanana Varatava, ahitana fampirantiana sary isan-karazany, atrikasa. Misokatra manomboka anio hatramin’ny 31 oktobra 2024 ny seho, eny amin’ny Ivokolo Analakely. Maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra izany.
Nisokatra ho an’ny rehetra, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, ny ivontoerana vaovaon’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy niaraka tamin’izany ihany koa ny fampirantiana “Saison inaugurale, histories de famille”, ahitana sanganasa ana mpanakanto maro.

Partager sur: