«Vakoka sy boky» : nasongadina Ambatomanga

Niangarana, satria nandray ny «Vakoka sy boky» ny tanànan’Ambatomanga. Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ity kaominina anisan’ny manan-tantara eto Imerina ity, ny hetsika nokarakarain’ny «Opération Bokiko». Tsotra ny antony: miresaka ny tanànan’Ambatomanga ilay boky nosoratan’i Michèle Rakotoson, izay nahazo ny «Prix POLA» tamin’ny taon-dasa. Izy rahateo no filoham-boninahitry ny fikambanana, ka rariny raha natao tany ny hetsika. Tsy vitan’izay, manana ny tantarany manamarika ny tantaram-pirenena mihitsy Ambatomanga. Nampiarahina tamin’ny literatiora izay maha vakoka azy izay, ka nanintona olona maro izany. Anisan’ireo nanome voninahitra ny hetsika, ohatra, ny masoivohon’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara. Nifamatotra tamin’ny tantara nisy teo amin’ny frantsay sy ny Malagasy mantsy Ambatomanga, satria nolalovan’ireo vahiny nihazo an’Imerina fahizay. Teo koa ireo mpanoratra sy mpandalina ny literatiora maro, toa an-dry Johary Ravaloson, izay tonga manokana avy any ivelany. Ry Christiane Ramanantsoa, manam-pahaizana amin’ny teatra sy ny fisehatra, tonga nizara ny talentany ihany koa. Mazava loatra ireo mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra, izay nanantontosa ny “Alim-betso”, nanomezan-daka ny asa soratra amin’ ny endriny rehetra.

Zo ny Aina

Partager sur: