VAOVAO TAMBATRA

Miakatra ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto an-dRenivohitra, nandritra ny 6 hatramin’ny 12 septambra teo. Avo 2 heny (30µg/m3) miohatra amin’ny fetran’ny OMS (15µg m3) ny refy voaray, ary mbola hitohy hatramin’ny anio. Eny Amboditsiry no tena maloto indrindra, ary manaraka azy ny eny Andranomena, Soanierana, Antsakaviro, Ambatobe, Ampandriano­mby, sns. Lasa mankarary ny olona marefo izany fahalotoana izany.

Mandeha ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny entana mivezivezy ao amin’ny ladoany Toamasina. Anisan’izany ny fametrahana ny filitiliana mahomby hiadiana amin’ny hosoka, ny « smart scanning », izay hiasa tsy ho ela. Napetraka koa ny brigady manokana ampiasana ny alika. Manana ivontoerana manokana ny sampana fitiliana. Tanjona ny hisian’ny fomba fiasa sy fitiliana mahomby, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ny fomba fiasa.

Miisa 95 ny mpandray anjara tamin’ny atrikasa fakan-kevitra hanavaozana ny Paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) teto Antananarivo, ny 11 sy 12 septambra teo. Avy eto Analamanga, Menabe ary Vakinankaratra izy ireo. Tanjona ny hanamafisana orina sy hanatsarana ny haitondra hotanterahina ato anatin’ny 5 taona manaraka (2025-2030). Hisy ny fakan-kevitra isaky ny sehatra samihafa aorian’ity natao ity.

Partager sur: