8 taona niketrehana… : “Masoandro”, rakikira voalohan’i Day

Tsy toa ireo mpanakanto mihazakazaka amin’ny famoahana vokatra izy… Tsy maika ny hiaka-daza koa, kanefa nizara ny mozikany teo foana. Izao vao tapa-kevitra ny ha­moaka ny rakikirany voalo­hany i Day. 8 taona no niketrehany ny “Masoandro”, izay haroso ho eny an-tsofina sy hipaka any amin’ny atifana­hin’ny tena mpankafy mozika amin’izay.

“Gadona malalaka no hi­bahana ao anatiny, ary karazana mozika iraisam-pirenena no rivotra ao anatin’ilay rakikira. Marihina koa fa notendrena miaraka avokoa ny hira rehetra ao anatin’izany”, hoy ny nambaran’i Day. Nanokana fotoana nakana feo tao amin’ ny Studio Perou, misy an’i Rolf Razafindrakoto, izay namana mpiray tsikombakomba anaty mozika amin’i Day.
Hira 11 no nosafidiana ao anatin’ny “Masoandro”. Ma­zava loatra fa voarakitra ao ireo hira efa nahafantarana an’i Day hatramin’izay. Anisan’ ireny ry “Aza miverina intsony”, “Ankamantatra”, sns. Efa nisy fotoana tsindraindray ihany, nizarany azy ireny an-tsehatra. Betsaka ny tsy vaovao amin’ny sofina, kanefa
an-kavitsiana ireo tena mahafantara fa i Day ilay mpihira. Fotoana omeny ireo mpankafy mozika, ireo te haheno hira vaovao tsy toa ireo fandre matetika: zoma 20 septambra izao, manomboka amin’ny 8 ora alina, etsy amin’ny La Tein­tu­rerie Ampasanimalo.

Zo ny Aina

Partager sur: