Basikety-N1A : Ekipa 16 hifaninana

Hotontosaina ny 26 septambra hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana farany fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A lahy sy vavy, taranja basikety. Ekipa lahy 8 sy vavy 8 tafiditra ao anatin’ny Elites 8 no hiady ny anaram-boninahitra amin’ity fifaninanana ity. Ho an’ny sokajy N1A vavy, ny GNBC, Ascut, Fandrefiala, USJFM, MB2All, JEA, Fandrasa ary ny Ankaratra no mandrafitra ny Elites 8. Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, ny COSPN, Ascut, BCV, Cosfa, GNBC, MBC, SBC ary ny NGB no tafakatra hiatrika ny famaranana ny fifaninanana nasionaly N1A. Araka ny fandaharam-potoana, ny 15 septambra izao no hanaovana ny fivoriana ara-teknika ka hahafantarana ny fandaharan-dalao. Tsiahivina, ny MB2All Analamanga no nandrombaka ny fandresena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A, sokajy vehivavy, taona 2023. Ny GNBC Analamanga kosa no tompondaka 2023, ho an’ny sokajy lehilahy.Andrasana, araka izany, izay handimby ireto ekipa sangany ireto.

Mi.Raz

Partager sur: