Tonga nidina ifotony tany Ambilobe, ny sabotsy teo, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David, nijery ny zava-misy ao amin’ny ozinina mpamokatra siramamy, taorian’ny dinika niarahany tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Niara-dia tamin’ny minisitra ny tale jeneralin’ny Fambolena eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny tale jeneralin’ny Sirama ary ny tale jeneralin’ny Foibe malagasy momba ny fary sy ny siramamy (CMCS). Nojerena manokana ny fotodrafitrasa tohodrano tsy hihoatra (digue de protéction), izay simba tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane. Nitsidika ny orinasa Sucocoma ihany koa ny delegasionina ka nifanakalo hevitra ho entina manatsara ny fomba fiasa sy ny vokatra amin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny orinasa.
Mitotongana
Nahatratra hatrany amin’ny 65 000 taonina isan-taona ny vokatra siramamy avy ao amin’ny ozinina Ambilobe, saingy nihena ho 55 000 taonina izany noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Gamame. Na izany, « mitohy foana ny ezaky ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra amin’ny fanampiana ireo indostria rehetra hamokarana eto an-toerana ireo zavatra ilain’ny vahoaka malagasy, anisan’izany ny siramamy”, hoy ny minisitra.
Marihina fa mbola ambany ny taham-pamokarana siramamy eto amintsika noho ireo fepetra maro takina amin’ny fambolena fary sy ny famokarana. Ny taona 2022-2023, mahatratra 161 784, 33 taonina ny fanjifana siramamy eto Madagasikara, raha 91 570 taonina kosa ny famokarana
Henintsoa H.