FANTINA sy FINTINA

Notanterahina omaly, teny amin’ny minisite­ran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ny fanolorana mari-pankasitrahana an’i Jorge Campins Figueras, Consul honoraire an’ny Repoblikan’i Madagasikara any Barce­lone. Ny andraikitra nosahaniny izay nisy akony lehibe tamin’ny fampivoarana sehatra maro teto Madagasikara.

Nanamafy ny hanohizana hatrany ny fidinana ifotony ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Ben­ja­min Alexis, omaly, nandritra ny fananganan-tsaina teny amin’ny foibe toeran’ny minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra. Tanjona ao anatin’izany ny hanakakaizana ireo mpiasa, ho fanatsarana sy ho fanadiovana endrika ny fitsarana ho lavitry ny kolikoly.

Niatrika ny fanokafana ny fivorian’ireo talen’ ny Unops eto amin’ny faritra Afrika, eny amin’ny Radison Blu, ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nambarany, nandritra izany, fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny Unops, noho izy, mitondra fanatsarana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny ady amin’ny kolikoly, ny fampandehanana haingana ireo tetikasam-pampandrosoana.

Nanao fanambarana ny Vovonana Firaisan­kina ao Mahajanga, omaly, mahakasika ny fandrotsahan’ izy ireo an-dRakotovao Rivo ho kandidà ben’ny Tanàna ao Mahajanga. Notsindrin’izy ireo tamin’izany fa efa neken’ireo filohan’antoko mivondrona ao anatin’ny Vovonana Firaisankina izany fanapahan-kevitra izany.

Partager sur: