Firotsahan-kofidina : nahemotry ny Ceni hatramin’ny 26 septambra

“Nahatonga ny fisainana hoe tokony hohalavaina ny fe-potoana farany fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina eny anivon’ny Ovec ny fahavitsian’ireo nametraka izany.”

Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andria­maro­tafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Nahemotra hatramin’ny 26 septambra izany, araka ny tolo-kevitry ny Ceni, raha tokony hifarana amin’ny 19 septambra. Antony roa no nahatonga izay fahavitsian’ny fa­metrahana ny firotsahan-kofidina izay. Eo ny toe-tsain’ny sasany miandry ny fotoana farany, hanentanana ny hialana amin’izay: raha miandry ny fotoana farany, ho fahasahiranana raha misy tsy feno na tsy hanam-potoana hanarenana ny tsy fahafenoana ny tena. Mahatonga ny fahavitsiana koa ny fahasarotana amin’ny fahazoana antontan-taratasy, anaovan’ny Ceni an­tso mandrakariva ny tomponandraikitra ny hanamorana ny fahazoana izany. Mba hanomezana fahafahana ho an’izay manam-paniriana hi­rotsa-ko­fidina izay. Amin’ny lafiny sa­sany, misy olana koa amin’ izay fikarakarana antontan-ta­ratasy firotsahan-kofidina amin’ny fahazoana taratasy fanamarinana ny fandoavan-ketra: adihevitra be fa tsy mitovy, ohatra, ny hetra alaina eo amin’ny samy tantsaha. Izay no itakian’ny sasany hoe tokony hitondra fanazavana ny tomponandraikitra eo anivon’ny sampandraharahan’ny he­tra: inona na ahoana marina? Ao anatin’ny fotoana tokony hisian’izay fanazavana izay izao.

R. Nd.

Partager sur: