Hay tan-dalàna ihany Ramalagasy rehefa mihenjana ny mpitondra. Manomboka mahavelombolo ny mivezivezy ao afovoan’ny tanànan’Antananarivo. Vao nesorina sy nafindra toerana ny mpivarotra amoron-dalana sasany dia efa misosasosa sy migodana ny arabe. Mba mihena ny fitohanana izay sady mahasorena no mahavery fotoana.
Hita ho miha mazava izany ny tanàna, milamindamina mampitony saina ny mamakivaky an’Analakely sy ny eny Behoririka. Ekena fa mbola maro ny olona mikiry ny hivarotra ambonin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra, saingy efa nihenkena izany. Miezaka manao izay azony hatao rahateo ny polisin’ny kaominina. Mamerina izay mihoa-pefy anatin’ny faritra voatokana hivarotana.
Lamina iray tokony ho maodely ny fanadiovana ny tanàna tahaka izao. Tsy ny fandaminana ny tsena ihany fa ny fomba fiaina amin’ny ankapobeny, eto an-drenivohitr’i Madagasikara. Tsy tokony ho mpiray tsikombakomba
amin’ny fandikan-dalàna rahateo ny mpitondra izay mitady fitia amin’ny vahoaka.
Efa nisy ny dingana goavana tamin’ny fanatsarana nataon’ny ben’ny Tanàna teo alohan’ny filohan’ny delegasiona manokana. Indrisy, nisy ny mpitondra nanao valala an-karona ka nanohitra ny drafi-panatsarana tian-kapetraka. Maika ny haka ny vaton’ny mpifidy tamin’izany fotoana dia naleo ny lalana velona no nampirisihina ny olona handika izany.
Sasatra ny mamerina amin’ny laoniny ilay Antananarivo ny mpitondra. Tsy azo atao hodian-tsy hita anefa fa izy no fitaratr’i Madagasikara. Manana adidy goavana manoloana izany ny mponina tsivakivolo, tsy misy ankanavaka. Raha tompondakan’ny loto ny Renivohitra, ny vahoaka ao aminy no tompon’antoka. Raha misongadina amin’ny fandrosoana ny tanàna, ny mponina no heni-boninahitra. Fehiny, mila milamina ny tanàna!
r.r