« Hindi Diwas 2024 » : mbola voakajy ary manana ny maha izy azy ny teny « hindi »

Anisan’ny itarafana ny maha izy azy ny firenena iray ny teniny. Mbola mitandro fatratra izany ny Indianina, izany indrindra no anisan’ny antony hankalazana ny “Hindi Diwas 2024”.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Foibe toeran’ny ma­soivohon’ny Inde, teny Tsaralalàna, ny lanonana fankalazana ny « Hindi Diwas 2024 ». Izy ity izay fahatsiarovana ny datin’ny 14 septambra 1949, nametrahana ny fiteny « Hindi » ho fitenim-pirenena tao Inde. Fotoana ihany koa hampivelarana sy hampiroboroboana izany fiteny izany. Fiteny anisan’ny manamarika ny maha izy ny kolontsaina indianina ny “Hindi”. Seho nanehoana ireo kolontsaina sy zavakanto avy ao Inde no nentina nandravahina ny androm-pankalazana. Tonga nanome voninahitra izany ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, notarihin’ny minisitra Mara Volamiranty Donna.

Fomba fanaon’ny India­nina isan-taona ny mankalaza ny andron’ny 14 septambra. Anisan’ny nanamarika izany ireo Indianina monina eto Ma­dagasikara, omaly. Tao anatin’ izany no nanatontosana seho ara-javakanto maneho ny teny Hindi. Anisan’izany ny dihy, ny hira, ny tononkalo ary ny teatra amin’ny teny Hindi. Nandri­tra izany ihany koa no nanolorana mari-pankasitrahana ireo Malagasy nianatra ny teny Hindi. Na eo aza ny fanatontoloana sy ny fivoarana ara-teknolojika, mbola tafapetraka sy manana ny toerany hatrany izany teny Hindi izany. Efa manomboka mivelatra amin’ny firenena maro ihany koa izy io, indrindra ny eto Madaga­sikara.

Notsindrin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny fahavononan’i Ma­dagasikara hifampizara sy hifanakalo amin’ny firenena indianina, indrindra ny eo amin’ ny sehatry ny kolontsaina, amin’ny maha Nosy an’i Mada­gasikara.

Lin

Partager sur: