Tonga eto Madagasikara ny modely vaovao amin’ireo moto marika Italianina Motomorini, ny « X-Cape 650 ». Vaovao tanteraka na ny endriny na ny moterany izay « Bicylindre en L, 4 temps » ary Cylindrée 649 cm3 izay mampiavaka azy amin’ny hafa. Manana tanjaka hatrany amin’ny 60 chevaux sady mahavita halaviran-dalana 170 km isan’ora ity hiaka farany navoakan’ny Motomorini ity. Ankoatra izay, sahaza ny lalana rehetra eto Madagasikara ny X-Cape 650 ary mahatratra hatrany amin’ny 18 litatra ny fitoeran-tsolikany. Miavaka sady raitra noho izy ahitana ireo hiaka faran’ny teknolojia. Misy Bosh ABS mifandray mivantana amina écran TFT ny moto ka azo ampiasana Bluetooth hampifandraisana amin’ny finday na koa henoina hira na hanarahana GPS.
Misy karazana loko efatra: ny mainty, volondavenona, fotsy, mena ny moto. Karazany roa (volamena na mainty) ny lokon’ireo « Jante ». Raitra ihany koa ny kodiarany izay amin’ireo karazany Pirelli Scorpion « 19 pouces » eo aloha sy « 17 pouces » aoriana izay sahaza ny lalana eto amintsika. « Natao manokana ho an’ireo mpankafy kodiarandroa manerana ny Nosy ny X-Cape 650. Vaovao sy ahitana ireo hiaka faran’ny teknolojiara ary mifanaraka tsara amin’ny filan’ny mpankafy ireo kojakoja ananany », hoy ny tale jeneralin’ny CT Motors, Hasnein Tahora, nandritra ny fanolorana ity vokatra vaovao, tetsy Andraharo ity, ny sabotsy teo.
Henintsoa H.