Ravalomanana Marc : tsy misy idiran’ny fanjakana ny tsy fahazoany mirotsaka

Tsy misy ambadika politika fa olana amin’ny antontan-taratasy no sakana ho an’ny Kandidan’ny Tim, Ravalomanana Marc. Tsy misy idiran’ny fanjakana izany. Mila manara-dalàna ny rehetra, hoy Rakotondrazafy Lalatiana.

Terena ho misy antony politika ny tsy fahazoan’ ny filoha teo aloha, Rava­lomanana Marc, mirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna. Ny tsy fahafenoan’ny antontan-taratasy nefa no antony. Tsy misy ny taratasy fanamarinana ny fandoan-kevitra. Tsy misy idiran’ny fanjakana sy ny mpanohana azy ny tsy fahahafahany ho kandidà.

Tsy matahotra ny firotsahany ny mpanohana ny fitondrana fa mitaky ny fanarahan-dalàna avy amin’ny olon-drehetra. Tsy vao izao rahateo no tokony hisy fanarahan-dalàna amin’ny fandoavan-ketra. Efa nanomboka tamin’ny taona 2001 izany.

« Raha nolalaoviny teo amin’ny lafiny politika hatrany ny raharaha hatramin’izay ary nipetraka ho tra-pahavoazana hatrany ny filoha teo aloha dia nandeferana. », araka ny fanazavan’ny minisitra teo aloha, Rakotondrazafy Lalatiana. « Tsy zo hoe tsy maintsy isitrahina hatrany izay fandefe­ran’ny sampandraharaham-panjakana izay fa azony atsahatra. Tsy hoe filoha teo aloha dia mahazo tsy manara-dalàna. Tokony hiditra amin’ny fandaminana araka ny fitsipika amin’ ny fandoavan-ketra izy, ary manana fotoana hatramin’ny 19 septambra ny fe-potoana fanaterana ny antontan-tara­tasy. Tsy tokony hiseho ho tra-pahavoazana hatrany izy, ka hiantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa raharaha anatiny izao. », hoy hatrany ity minisitra taloha ity. « Anisan’ny andraikitry ny ben’ny Tanàna ny fitakiana haban-tsena sy hetra amin’ny mpivarotra, ka ho mpitari-bato vilam-bava ve raha tonga amin’izany? », hoy izy namarana ny fanazavany.

r.r.

Partager sur: