“Rugby WXV III” : miisa 40 ireo mandrafitra ny delegasion’ny Makis Ladies

Afaka 10 andro, izany hoe, ny 27 septambra ho avy izao, any Dubaï, hanomboka ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja rugby, sokajy vehivavy, “WXV III”. Anisan’ireo firenena hisolo tena an’i Afrika i Madagasikara.

Vonona tanteraka ireo vehivavy malagasy Makis hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja rugby “WXV III”, izay tontosaina any Dubaï, ny 27 septambra-12 oktobra ho avy izao. 40 ny isan’ireo mandrafitra ny delegasionan’ny Makis Ladies, ka ny 30 amin’izy ireo mpilalao ary ny folo ambiny Staff.
Raha ny vaovao voaray, anio izy ireo no hanainga etsy Ivato, handeha ho any Kenya. Tsiahivina fa hiatrika lalao fanomanana, hifandona amin’ny ekipam-pirenena kenianina, ny Makis, ny 20 septambra ho avy izao, any an-toerana. Aorian’ity fifanandrinana amin-dry zareo kenianina ity, hanainga ho any Dubaï ny ekipa na­sionaly malagasy. Tsiahivina fa efa nanomboka ny 12 aogositra lasa teo ny vehivavy Makis no nanatanteraka fampivondronana teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Tsara ny mampahafantatra fa ny ekipan’i Espagne, Samoa, ary Hong-Kong no hihaona amin’i Madagasikara mandritra ny fifanintsanana.

Fitia Randria

Ny lisitr’ireo mpilalao 30 :
1-Razafindramanga Fenitriniaina Hanta (FTM), 2-Rasoarimalala Mamisoa (FTM), 3-Rabarivelo Miora Laurencia (SCB), 4-Rasoanandrasana Laurence (SCB), 5-Raminoarisoa Fanomezantsoa Elinah (RCTS), 6-Sahondramalala Nomenjanahary Sarindra (3FB), 7-Andriatsilavina Oliviane Yvanah (SCB), 8-Nomenjanahary Nofy Rova Malala (SCB), 9-Rasoanantenaina Eleonore Virginie (FTM), 10-Raharimalala Delphine Sarindra (FTM), 11-Rakotoarison Felaniaina Marie Jeannie (FTM), 12-Razanakolona Fenosoa Fiderana Samaritana (FTFA), 13-Nomenjanahary Sariaka (SCB), 14-Rasoanandrasanavolatiana Marie Fleuris (FTFA),
15-Mirasoa Fenohasina Rafaliharimanana Joela (FTFA), 16-Ranorovololona Vonjimalala (3FB), 17-Razafiarisoa Voahirana Marie Sophie (3FB), 18-Rahariravaka Andoniaina Marie Vacilly (RCTS), 19-Razanakiniaina Valisoa Erickah (SCB), 20-Rasoanekena Veronique Eluriche (RCTS), 21-Razanamahefa Tiana Jinah (SCB), 22-Fanantenana Zaya Dinharisoa Zouanah (SCB), 23-Hanitriniaina Mamy Nirina Olivia (3FB), 24-Rasoarimalala Claudia Maminiaina (FTFA), 25-Bodonandrianina Marie Christine (FTFA), 26-Razafializay Nanou Loula (US Joue France),
27-Ravaoarinoro Mialy Tiana (3FB), 28-Rafanomezantsoa Rojoniaina (FTFA), 29-Ravaoharisoa Nirina Noromalala (SCB), 30-Rakotozafy Nomenjanahary Aina Hanitr’oliva (Asut)

Mpanazatran’ny Makis Ladies : Randriamihaja Alain.

Partager sur: