Mitaky zava-baovao sy tolotra samihafa manaraka ny fenitra takin’ny tsena ny fandraharahana hampaharitra ny tetikasa. Tokony hanana kalitao sy vokatra mampiavaka azy ny mpandraharaha.
Ilaina ny fanavaozana sy ny famoronana mba hanatsara ny tontolon’ny fandraharaharana sy hampaharitra ny tetikasa. « Tsy ampy ny famoronana ataon’ireo mpandraharaha malagasy fa zatra maka tahaka ka tsy mampivoatra ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika », hoy ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo, Rakotondrasanjy Rivo, omaly, teny Antaninarenina, nandritra ny fanolorana ny Salon de la Créativité Voatra andiany faha-11. Mamono ny tsena na orinasa iray, hoy izy, ny fakan-tahaka be fahatany ka antony hanomezan’ny Antenimieran’ ny varotra sy ny indostria (CCIA) fampiofanana ho an’ny mpandraharaha mba hanaovany tolotra samihafa eny an-tsena fa indrindra hanànan’ny mpanjifa safidy ka miteraka fifaninanana madio. Mazàna mampitovy tolotra sy mihevitra ny mpandraharaha iray ho be mpitady ny vokatra iray rehefa mitovy. Tsindrim-peo manokana mandritra ny Salon de la Créativité Voatra, amin’ity taona ity, ny hitaizana ny mpandraharaha ho tia karokaroka ka hampiavaka ny tolotra atao eny an-tsena.
Famokarana
Adidin’ny CCIA ny manampy ny orinasa sy ny mpandraharaha hanaraka ny fenitra takin’ny tsena. Misy, araka izany ny fiofanana omena ireo mpandrahahara sy fizarana traikefa eo amin’ny famoronana sy mamaly ny filan’ny tsena. Tokony hokolokoloina ny fahasamihafana eny anivon’ny orinasa hampateza azy, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Lohahevitra mandritra ny Salon de la Créativité Voatra, amin’ity taona ity, ny « fanavaozana sy fanolorana ny fahasamihafana eo amin’ny tontolon’ny tsena ». Hetsika izay atao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 02 ka hatramin’ny 05 Oktobra, hampahafantarana ireo vokatra malagasy. Hasongadina manokana ny vokatry ny fandarahanasam-panjakana taninketsa indostrialy (Odof). Maherin’ny 70 isa ireo tranoheva ho hita mandritra izany.
Henintsoa Hani