SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina tany Côte d’Ivoire, ny 12-13 septambra lasa teo, ny fivorian’ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly avy amin’ny federasiona 42 mandrafitra ny Kaonfederasiona afrikanina, Caf. Nanatrika izany, tany an-toerana, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, mpanazatra ny Barea de Madagascar.

Hotontosaina manomboka ny 26 oktobra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Ana­lamanga, diviziona voalohany. Mialoha an’izay, nilaza ny filohan’ity ligy ity fa misy ny fivoriana hatao ny 8 Oktobra izao, eny amin’ny biraon’izy ireo. Tsiahivina fa ny ekipan’ny AS Ste Anne no tompondakan’Analamanga farany teo.

Nandresy ny ekipan’ny TSBB, tamin’ny isa 29 no ho 20, ny ekipan’ny AT2B, sokajy U12 lehilahy, nandritra ny andro voalohan’ny “Fety de Baskety e”. Mbola nahazo fandresena tamin’ny isa 55 no ho 33 ihany koa ny AT2B, sokajy U20 Lehilahy, nanoloana ny ekipan’ny BCF 4.

Nisy ny hetsika karakarain’ny mpanao fanatanjahantena ao Frantsa, ny faran’ny herinandro teo. Malagasy mpila ravinahitra any an-toerana no nandray anjara nandritra izany. Anisany nandraisana anjara ihany koa ny Kung fu Wisa Ken-Tao.

Partager sur: