TARATRY ny KANTO

Gazela Meva – ampahafantarina mandritra ny «Sehatry ny mpanoratra». Niova an’izay ilay «Volana iray, mpanoratra iray», tetikasa mitohy an’ny minisiteran’ ny Kolontsaina sy ny serasera. Ampahafantarina man­dritra ity volana septambra ity i Gazela Meva, mpanoratra, poeta, mpilalao an-tsehatra, mpamelona tantara an’ onjam-peo, sns. Hampahafantarina, mandritra izany, koa ireo sanganasany.
Hanatanteraka fampisehoana an-tsehatra ao amin’ny Arena Ivandry ny Tanora Masina Itaosy ny alahady 20 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. « Ny mba hahafahana manao « concert » zakan’ ny fahefantsika, amin’ny taona 2025 no antony hanaovana izao hetsika izao », raha ny nampitain’ny Tanora Masona Itaosy. Izany hoe, ho fanampiana hoentina miatrika ny seho hotanterahina amin’io taona ho avy io.
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Hary Rabary, miaraka amin’ilay boky nosoratany «Za koa». Hetsika iraisam-pirenena, maro samihafa, eo amin’ny sehatry ny literatiora mantsy no nahavoafantina azy handray anjara, taorin’ny «Pola 2024». Anisan’izany ny «Prix Senghor su premier Roman 2024», «Prix Ivoire pour la literature Africaine d’Expression Francophone 2024 » ary ny « Prix les Afriques session 2024 ».
Hanomboka anio, eny amin’ny AFT Andava­mamba, ny atrikasa fampianarana ny dihy «Embo». Izy ity izay dihy avy ao Afrika Atsimo. Ny tarika Mnguni, avy ao Afrika Atsimo, no hampianatra izany dihy izany. Tafi­ditra ao anatin’ny «Festival I’Trotra» izao hetsika izao. Hetsika natao hampiroboroboana ny dihy ankehitriny.

Partager sur: