Tsipy kanetibe – «National de Chalon 2024» : resy teo amin’ny famaranana ny ekipa malagasy

Tontosa ny 14 sy 15 septambra lasa teo, tao amin’ny Stade Leo-Lagrange, ny an­diany faha-45 amin’ny “Natio­nal de Chalon”, taranja tsipy kanetibe. Resy teo amin’ny famaranana ny ekipa malagasy, nahitana an’i Jean Bruno Andry sy Andrianjaka Jean-Michel (Tsetse) ary Rakoto­niai­na Faratiana (Tiana Kely). Lavon’ny ekipa nisy an-dry Paul Martin sy Eric Dasnias ary Thimothé Pithon, tamin’ny isa mazava 13 no ho 3, ry zalahy.
Nanantombo teo amin’ny tifitra ry Thimothé, anisan’ny mpilalao zandriny nifaninana tamin’ity. Tsy nahatohitra mi­hitsy, na teo amin’ny fakana isa, na teo amin’ny fitifirana kanety ny ekipa malagasy.
Tsiahivina fa nanilika ny ekipan-dry Lahatra Randria­ma­nantany sy Miclo ary Bil­laud, tamin’ny isa 13 no ho 1, ry Tsetse, teo amin’ny manasa-dalana. Nandavo an-dry De Simone sy Marmi ary Ail­loud, tamin’ny isa 13 no ho 0, tany amin’ny ampahavalon-dalana, saingy sendra ny taolana ry zalahy teo amin’ny famaranana.
Marihina fa ity no namaranan’ny ekipa malagasy ny “Tournoi Estival 2024”, natao tany France, nandritra ny telo volana.
Dingana manaraka ho an’ny Federation sport-boule malagasy indray izao ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Dijon France, ny 5 – 8 desambra ho avy izao. Fifaninanana ho an’ny sokajy olona telo miaraka, lehilahy.

Tompondaka

Partager sur: