« Africa 50 » : hahazo tombony manokana i Madagasikara

Hotanterahina ny 19 sy 20 septambra 2024, eny amin’ny Centre de conférence internationale (CCI) Ivato, ny fivoriamben’ny “Africa 50”. Fire­nena 31, avy eto Afrika, miaraka amin’ireo mpamatsy vola sy mpanatanteraka tetikasa ary mpanapa-kevitra, eo amin’ny sehatra maro no handray anjara amin’izany. Mandritra ity fivoriana iraisam-pirenena ity no hihaonan’ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny sehatry ny famatsiam-bola sy ireo firenena mila izany. Lohahevitra amin’ity fivoriambe ity ny «Angovo azo havaozina», ary anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny adisisika mandritra izany ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana ho an’ny fampandrosona lovain-jafy. Maneho ny fahavononan’i Ma­dagasikara amin’ny fandraisan’anjara mavitrika amin’ ny fametrahana fampandrosoana maharitra eto anivon’ny kaontinanta Afrikanina ny fandraisana ity fivoriambe ity, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna.
Anisan’ny manamafy ny fahamarinan-toeran’i Madaga­sikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa izao fandraisana ny «Africa 50» izao. Ny taona 2015 no namoro­nan’ny “Banque africaine de développement” (Bad) ny “Africa 50”. Ankoatra ireo firenena mpikambana, mivondrona ao anatiny ihany koa ireo mpamatsy vola misehatra eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, angovo, fitanterana, teknolojia ary ny rano sy ny fidiovana aty Afrika. Mandritra ity fivoriambe ity no hanaovana ny adisisika maro samihafa amin’ny mety ho famatsiam-bola mahakasika an’i Afrika.

Lin

Partager sur: