Ambohidratrimo : nandrotsaka kandidà ny Zam

Nanatitra ny antontan-taratasiny teny amin’ny biraon’ny Ovec Ambohidratrimo, omaly maraina, ny kandidà tsy miankina, Rabary Hery, filohan’ny Zanak’Ambohidratrimo miray (Zam). Izy no voalohany fantatra fa hilatsaka ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nilaza ny filohan’ny Ovec eny an-toerana, fa mitazona ny datin’ny 19 septambra ny Ceni Ambohidratrimo hatreto. Nambaran’ny kandidà Rabary Hery, fa Ambohidratrimo filamatra, madio, mivoatra ny teny filamatra napetraky ny Zam. Tanjony ny hitantanana ny kaominina tsy misy kolikoly, mangarahara ary fitantanana madio. Mpanara-maso ny famoahana volam-panjakana rahateo ny asan-dRabary Hery.
Nampahafantarina ny mponina eny an-toerana ireo mpanolotsain’ny Zam avy amin’ny fokontany 9 ao amin’ny kaominina. Nitsodrano azy ny fianakaviany sy ny ray aman-dreny lehibe ao an-tanàna.

Njaka A.

Partager sur: