Hatao any Antsirabe ny Andro maneran-tanin’ny Farmasianina, ny 25 septambra izao. Hifanindran-dalana amin’izany ny Herinandron’ny Farmasia ny 26 sy27 septambra. Lohahevitra voizina mandritra ny hetsika ny “Farmasianina: miatrika ny filàna ara-pahasalamana maneran-tany”.
Fihaonan’ireo antokon’asa rehetra misehatra ao amin’ny tontolon’ny farmasia miaraka amin’ireo mpianatra ho farmasianina eto Madagasikara ireo 3 andro ireo.
Entina hampahafantarana misimisy kokoa io sehatrasa io sy ny toerany eo anivon’ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka ny Herinandron’ny farmasianina. Hisy ny fanentanana miompana amin’ny loza ateraky ny fanaovana dokotera tena sy ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna, na koa ny maha zava-dehibe sy saro-pady ny taratasim-panafody ao Antsirabe mandritra ny fihaonana.
Ny tontolo andron’ny 25 septambra dia hisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana, ny fitiliana ny aretina tazomoka, diabeta sy ny tosidra.
Ny Herinandron’ny Farmasia kosa dia natokana ho an’ireo matihanina sy ireo mpianatra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Hisy ny fampirantiana sy fampahafantarana momba ny tontolon’ny fanafody. Eo koa ny famelabelaran-kevitra samihafa. Anisan’ ny hovelabelarina amin’izany ny zavatsoa azo avy amin’ny ranomafanan’ Antsirabe, ny toeran’ny zavamaniry fanao fanafody eo amin’ny fiainana, na koa ny fianarana momba ny farmasia any am-pitan-dranomasina.
Tatiana A