Baolina kitra: hatao ny volana febroary 2025 ny “Chan”

Araka ny tapaky ny Kaon­fe­derasiona afrikanin’ny baolina kitra, Caf, tany Nairobi Kenya, ny alatsinainy lasa teo, fantatra fa hatao ny volana febroary 2025 ny fifanintsanana “Chan 2024”. Ny 1 ka ha­tra­min’ny 28 febroary no ha­na­tanterahina izany, ary firenena telo no hampiantrano amin’ity andiany ity, dia i Ke­nya, Tanzanie ary i Ouganda.
Raha ny fikarohana natao, ny 25 hatramin’ny 27 oktobra 2024, ny dingana savaranonando voalohany. Marihina fa hampiavaka ity fifanintsanana ity ny hahafahan’ireo mpilalao rehetra mila ravinahitra eto amin’ny kaontinanta Afrika, raha toa ka ireo avy ao an-toerana ihany teo aloha. Tsia­hi­vina fa tamin’ny “Chan” farany teo, izay notontosaina tany Algérie, nisongadina ny Barea de Madagascar, izay notarihin-dRakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô. Nahazo ny medaly alimo i Madagasikara tamin’izany raha toa ka i Sénégal no nandrombaka ny amboara.

Olana
Raha tsy mahazo fankatoavana amin’ny volana oktobra ho avy io ny kianja Barea Mahamasina, voatery hanofa amin’ireo firenena hafa indray i Madagasikara mba hiatrehana ny fifanintsanana amin’ity “Chan” ity. Ampahatsiahivina ihany fa hasiana fanamboarana ny kianja Barea, amin’ny volana oktobra ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana.

Fitia Randria

Partager sur: