Fahasalamana manakaiky vahoaka : hisitraka fitsaboana ny eny Namontana

Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hatao eny amin’ny foibem-pahasalamana Namontana ny hetsika, ny 19 sy 20 septambra izao.
Ankoatra ny fizahana ankapobeny, hisy ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida sy ny fandraisana an-tanana ireo mitondra izany aretina izany. Eo koa ny fitarafana ho an’ny vehivavy mitondra vohoka, fitiliana ny diabeta sy ny tiberkilaozy. Anisan’ny mahaliana ny olona koa ny fizahana maso sy ny torohevitra mahakasika ny fikolokoloana ny maso tsy ho vizana.
Tsy hadino ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny zaza sy ny ankizy amin’ny fanaovam-baksiny maimaimpoana, torohevitra momba ny sakafo…. Eo koa ny fandanjana sy fizarana koba aina ary ny torohevitra momba ny fitaizana….
Ho an’ny rehetra ny tolotra momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana izay voizina amin’izao fotoana mba hialana amin’ny vohoka tsy iriana sy ny fiterahana mifanesy loatra.
Mifanindran-dalana amin’ireo ny torohevitra ara-pahasalamana sy ny fomba fiaina.

Tatiana A

Partager sur: