Mitohy hatrany ny fanatsarana sy fanamafisana ny fifandraisan’i Madagasikara, amin’ireo firenena any ivelany. Tafiditra ao anatin’izany izao fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ireo loholona frantsay, omaly, izao.
Nihaona sy nifampidinika tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana, Ambohitsorohitra, omaly, ny vondron’ny loholona frantsay. Voaresaka tamin’izany ny sehatra marolafy amin’ny fifanohanana eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara, amin’ny firahalahiana sy fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny firenena manohana sy manampy betsaka an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana, amin’ny fanatanterahana ireo asa marolafy, i Frantsa. Na eo amin’ny lafiny toekarena izany, na sosialy…
Delegasionina ahitana Loholona frantsay miisa dimy mianadahy no nihaona tamin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Mitarika izany delegasionina izany i Michel Laugier; Mandrafitra ny delegasionina kosa i François Bonhomme, Karine Daniel, Pascal Martin ary Marie Agnès Mouton. Nambaran’ ireo loholona frantsay tamin’ny filoha malagasy fa mitovy ny fomba fijery amin’ny fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara. Anisan’izany, ohatra, ny hahazoana mampiroborobo hatrany ny sehatry ny fizahantany. Ao anatin’izany ny fampitomboana isa ny frantsay mpizahatany hitsidika eto Madagasikara, izay firenena manana ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy eo amin’ny lafiny tontolo iainana sy ny harena voajanahary: maro karazana, mahaliana mpizahatany… Namban’izy ireo koa fa misy ny fifanohanana eo amin’ny sehatry ny Fikambanana iraisam-pirenena frankofonia (OIF), izay ahazoana manatevina ny fiaraha-miasa. Voaresaka koa ny sehatra hafa amin’ny hahazoana manamafy sy manatevina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana eo amin’ny firenena roa tonta.
R. Nd. sy Lin