INDRAY MIJERY

« Ho an’ny EPP Ankadinandriana, fokontany Manjakamiadana, mahatratra 17 ny ankizy mpianatra avy amin’ny fianakaviana tena sahirana tsy mandoa vola ho fampidirana ny zanany an-tsekoly », hoy ny talen-tsekoly. 120 kosa ireo ray aman-dreny nangataka fanalefahana ka haloa tsikelikely ny latsakemboka Fram. Manana mpampianatra Fram dimy ny EPP mbola andoavan’ny ray aman-dreny sarany.
Hiatrika fanazaran-tena lehibe iraisam-pirenena hiatrehina ny taom-pahavaratra 2024-2025, any Toamasina sy eto Antananarivo, manomboka anio ka hatramin’ny 21 septambra, ny BNGRC. Goavana ny fanamby fahafaha-miatrika ny taom-pahavaratra amin’ity taona ity. Manaraka ny torolalana voafaritra ao anatin’ireo fepetra ijoroan’ny paikadim-pirenena momba ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza ny asa.
Nihaona ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, sy ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny BNLTEH, Ramahandrisoa Eric. Nanamafy ny fiaraha-miasa hampahomby ny ady atao amin’ny famarinana olombelona, izay fanandevozana miseho amin’ny endriny vaovao ny dinika.
Fifampizarana izay fahasarotana amin’ny fampiasana ny fitaovana sy ny fanafody ho an’ireo ankizy sy tanora miaina miaraka amin’ny diabeta no lohahevitra noresahina nandritra ny hetsika, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Amadia. Nisy ny fizaham-pahasalamana toy ny fanao isan-telovolana…

Partager sur: