Kolontsaina, zavakanto… : midina ny fari-pahalalan’ny Malagasy

Tany amin’ny taona 1940 – 1950 -1960 -1970 – 1980, hain’ ny Malagasy ny nanavaka ny ratsy sy ny tsara, ny mety sy ny tsy mety, ny sahaza sy ny tsy sahaza azy teo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto… Niainga teo amin’ny taona 2000, nanomboka tazana mijotso andro aman’alina ny fari-pahalalan’ny Mala­gasy. Maro ny fanohanan-kevitra nipoitra etsy sy eroa izay saika manakiana ny teo aloha.
Hira heno mivalana sy tsy misy fotony (tononkira manidintsidina, rindran-javamaneno mikorontana sy miantehitra amin’ny teknolojia …), ankehitriny, lazaina fa «tsara» na «kanto», satria «samy manana ny kantony», hono. Dihy mamoafady, mitsipaka tanteraka ny soatoavina, ankehitriny, ambara fa «kanto», satria, «samy manana ny tsarany», hono. Sary sokitra maneho endrika «tsy fampiseho masoandro», ankehitriny, mbola misy milaza fa : «kanto satria milaza fivelaran’ny toe-tsaina sy ny fomba fijery», hono.
… Nanomboka io taona 2000 io, toa tsy hain’ny Malagasy sasany intsony fa misy ny soatoavina, ny olom-pady, ny fady… Manamarina indray fa midina ny fari-pahalalan’ny Malagasy.

Mila beazina hahalala sy hahafantatra ny momba azy ny Malagasy, raha tiana hiakatra io fari-pahalalana io. Any amin’ny ankohonana ny fototra hanatanterahina izany voalohany. Tahaka izany koa ny any an-tsekoly, ny eny anivon’ ny fiarahamonina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: