Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, ny lehilahy iray mpikarakara sakafo «traiteur» nivadi-pitokisana, nitsoaka fikarakarana sakafona mpanambady hatao vodiondry. Henatra, fahafaham-baraka ny an’ireo fianakaviana roa tonta tamina raharaham-pianakaviana iray teny Ampitatafika, ny alakamisy teo. Fahadisoam-panantenana no niseho tamin’ireo fianakaviana nanatrika ilay fanateram-bodiondry satria tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana ilay «traiteur» hanomana ny sakafon’ireo fianakaviana. Nambaran’ireo mpivady tompon-draharaha fa vola 9 tapitrisa Ar no lasan’ilay lehilahy mpikarakara sakafo io saingy tsy nipoitra izy tamin’ny fotoana hanatanterahina ny raharaham-panambadiana. Nifanaraka tamin’izy mivady ity traiteur ity, ny 14 aogositra 2024, momba ny raharaham-panambadian’izy ireo.
Tsy nisy sakafo nokarakarainy…
Intelo miantoana ny fandoavana ny vola nifanarahana hahafahana mikarakara ny sakafo. Ny alarobia hariva mialoha ny raharaha no fotoana nifanaovana nametrapetrahana ny pitsompitsony farany amin’ny hiatrehina ny raharaha, saingy tsy tonga izy sady namono finday. Nahatratra 150 ny olona nasaina ka voatery namorona ny tsy misy izy mivady tompon-draharaha. Nametraka fitoriana teny amin’ny zandary izy mivady niharan’ny fisolokiana. Voasambotry ny zandary tao an-tranony ity lehilahy ity taorian’ny angom-baovao rehetra nataon’ny zandary. Vesatra niampangana azy ny fivadiham-pitokisana sy fanalam-baraka olona.
J.C