Nandriaka ny ra : Moto nifandona, roa lahy indray maty

Maty tsy tra-drano ireo roa lahy nandeha moto nifandona tao Ampihaviana Antsirabe, afakomaly alina. Mafy ny fifandonana ka samy niara-namoy ny ainy ireo mpitondra moto…

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tao Ampihaviana Antsirabe, afakomaly alina. Moto roa nifandona. Maty tsy tra-drano ireo mpitondra moto roa lahy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, moto Scooter samy nanao taingin-droa ireto niharan-doza ireto. Nifanena tampoka anefa izy ireo ka samy tsy afa-niala intsony. Mafy ny fifandonana ka samy niara-namoy ny ainy izy roa lahy mpitondra moto. Samy naratra mafy kosa ireo roa lahy nentina tamin’ny moto. Tafapitika hatrany amin’ny 50 metatra ny moto nentin’izy ireo. Vaky ny lohan’ireo roa namoy ny ainy. Nandriaka nanerana ny arabe ny ra. Nentina haingana na­monjy hopitaly ireo roa lahy na­ratra mafy. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly, araka izany, izy roa lahy ireo. Potipotika tsy nisy noraisina kosa ireo moto nifandona. Fantatra fa anisan’ireo toerana ahitana trangana lozam-pifamoivoizana ateraky ny mo­to koa ny ao Antsirabe. Ma­te­ti­ka vokatry ny tandrevaka ataon’ ireo mpitondra sy ny tsy fahafehezana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana no tena antony iray mahatonga ny loza. Efa misy hatrany ny fanentanana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ireo mpitondra moto saingy very an-javony izany rehefa samy mifampitsapatsapa tanjaka izy ireo.

J.C

Partager sur: