Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo roa lahy mpangalatra voamaso tao amin’ny koaminina Ambatolahy, distrika Ihosy, afakomaly. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana fa nisy namaky ny fasana vao avy nandevenena ny 13 septambra lasa teo. Noloaran’ ireo tsy valahara tamin’izany ny mason’ny faty iray nalevina tamin’io fotoana io. Nanao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Olona telo voasaringotra tamin’izany. Nitsoaka avy hatrany anefa ireo olon-dratsy rehefa nahatazana ny mpanara-dia. Voasambotry ny zandarimaria ny roa lahy raha toa ka tafaporitsaka ny iray. Nentina hihazo ny biraon’ny zandary, nirongatra hampihatra ny fitsaram-bahoaka tamin’ireo voarohirohy ireo ny fokonolona ao an-toerana. Nanararaotra nandositra tamin’io fotoana io ireo roa lahy. Vokany, maty voatifitra izy ireo. Mitohy ny fikarohana ny namany izay nangalatra voamaso tao am-pasana.
Tsiferana R.