Nivoa-dra ny orony: fatin-dehilahy tao ambany tetezan’Anosizato

Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tetsy ambany tetezana Anosizato, omaly. Ahin’ny nanatri-maso ho novonoina izy. Ny fanadihadiana kosa no hamaritra ny tena zava-nitranga.

Nivoaka ra ny orony sady kiaka ny faritry ny lamosiny, raim-pianakaviana iray hita faty tetsy Anosizato, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra olona nitsirara teo ambony vato. Tsy nisy aina intsony, nampiahiahy ny ma­nodidina ny fahitana io lehilahy io. Niantso ny tomponandraikitra anivon’ny fokontany sy ny mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo. Tsy nahitana dian-java-maranitra ny vatany. Tsy nahitana soritra ho namono tena koa izy. “Nosaritina teo amin’io toerana nahitana ny fatiny io izy satria nahitana ratra ny faritry ny lamosiny”, hoy ny fanazavan’ny mponina nanatri-maso. Niezaka namantatra azy ny mponina manodidina saingy tsy nisy nahalala.

Tsy hita ny ilan-kiraro
Tsy nisy ilany intsony ny kiraro teny an-koditr’io olona hita faty io. Nosavaina anefa ny paosiny ka nahitana vola 3 500 Ar. Nanao ny fizahana ny razana ny tomponandraikitry ny fahasalamana natrehin’ny mpitandro filaminana. Niroso tamin’ny fanadihadiana mom­ba ity trang ity avy hatrany ireto farany. Tsy fantatra mazava, noho izany, ny antony nahafaty ity lehilahy hita tetsy Anosizato, omaly maraina ity. Andrasana ny tohin’ny famotorana ataon’ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: