Rotax 125 cc : hatao ny alahady izao ny fifaninanana

Hotanterahina ny alahady 22 septambra ho avy izao, eny amin’ny Circuit international de karting Imerintsiatosika, ny fifaninanam-pirenena amin’ny hafainganam-pandeha “Rotax 125 cc”. Fihaonana karakarain’ny klioba Serana Racing Kart. Misokatra ho an’ireo mpanamory manana kara-pilalaovana ara-dalàna karting avy amin’ny federasiona sport-auto malagasy (FSAM).
Hisy sokajy telo ny mpifaninana amin’ity dia ny Elite, natokana ho an’ireo mpanamory 14 taona no mihoatra, amin’ny fotoana hanatontosana ny fifaninanana. Eo koa ny an’ny Junior, izay natao ho an’ny 12 ka hatramin’ny 14 taona ary ny Minime, ho an’ireo ankizy 9 ka hatramin’ny 11 taona.
Manana fotoana hanaovana andrana 10 mn ny mpifaninana rehetra ka hamaritra ny filaharana amin’ny fisantarana ny dingana voalohany ny fe-potoana azo eo. Mihodina impito ny sokajy Minime, raha impolo izany ho an’ny Junior sy ny Elite. Hisy ny famaranana mialohan’ny fotoana ary ny tena famaranana ka hiodina in-11 ny Minime raha in-13 ny an’ireo sokajy roa zokiny.

Torcelin

Partager sur: