Nanainga tetsy Ivato, omaly, ho any Kenya sy Dubaï, ny delegasionin’ny Makis Ladies. Hiatrika lalao goavana any an-toerana izy ireo. Mialoha izany, noraisin’ny vadin’ny filoham-pirenena ry zareo, omaly, tetsy Ambohitsorohitra.
Nanainga omaly, ho any Kenya sy Dubaï, ny Makis Ladies, mpilalao ny taranja rugby, vehivavy. Mialoha ny nandehanany, noraisin’i Mialy Rajoelina, vadin’ny filoham-pirenena malagasy izy ireo, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Ankoatra ny tsodrano, notolorany vatsin-dalana ireo delegasiona Makis Ladies, mahatratra 40 isa.
Tsiahivina fa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany sokajy D-3 “WXV III”, any Dubaï, ny 27 septambra – 12 oktobra, ireto delegasionina ireto. Mialoha izany, hisy lalao fanomanana hifanandrinan’izy ireo amin’i Kenya, ny 20 septambra ho avy izao, ao Kenya. “Zava-dehibe ho an’ny mpilalao izao fandraisan’ny vadin’ny filoham-pirenena izao. Efa mampiakatra sahady ny moraly hoentin’izy ireo any amin’ny fifaninanana izany”, hoy Rakotomalala Marcel, filohan’ ny Malagasy Rugby sady hitarika ny delegasiona malagasy. Nambaran’i Mialy Rajoelina, reny mpiahy ny Makis Ladies, fa “mitolona tsy miato mba hamiratra ny vehivavy eo amin’ny tontolo misy azy. Ny fanatanjahantena, anisan’ireo sehatra iray hahafahana mampiseho ny talenta ananantsika. Noporofoinareo tamin’ity dingana lehibe vitanareo ity fa tsy fanaka malemy ny vehivavy. Matoky sy manohana ary mino anareo aho, fa hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara ianareo mpilalao, mandritra ity fifaninanana goavana ity». Nanatrika ny fotoana, ny minisitry ny Fanatanjahatena sy ny tanora, Marson Moustapha Abdulah.
Ampahafantarina ihany fa ny ekipa nasionalin’i Espagne sy i Hong Kong ary Samoa no hihaona amin’i Madagasikara any an-toerana.
Fitia Randria