Tsy handalo fotsiny…Hametraka tantara ho an’ireo mpankafy azy eto Madagasikara i Dadju sy i Tayc, mandritra ny seho iarahan’izy ireo etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina.
11 oktobra. Io ilay daty lehibe ho an’ny mpankafy an’i Dadju sy i Tayc eto Madagasikara. Efa sasa-miandry daholo rahateo ny ankamaroany, raha tarafina amin’ny fifarombahana tamin’ny fividianana ny tapakila, nandritra izay andro maromaro izay. “Tsy handalo fotsiny eto ireto kalazan’ny mozika Afropop, malaza iraisam-pirenena, ireto. Hametraka tantara ihany koa ho an’ireo tanora malagasy izy ireo. Voalohany amin’izany ny fampiakarana an-tsehatra ireo tanora malagasy, izay efa miatrika ny fifaninanana izay ho mendrika izany amin’izao fotoana izao”, hoy i Sonia Ali-Ahmed, talen’ny famokarana eo anivon’ny Nas Prod, izay mpikarakara, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo.
“Concours Heritage” no nampisalorana ny fifaninanana, araka ilay rakikira iombonana sy entin’i Dadju sy Tayc manatontosa ny fitetezam-pirenena hataony amin’izao fotoana. “Fifaninan-kira ho an’ireo efa mpanakanto nahavita rakikira, efa nahavita rakitsary na niaka-tsehatra io. Maro ireo tanora liana amin’ izany, indrindra fa tena zava-dehibe ho azy ireo sy ny tohin’ny lalany eo amin’ny mozika izany hoe nanao ny tapany voalohany tamin’ny fampisehoan’i Dadju sy i Tayc izany”, hoy Ramasimanana Lova, avy ao amin’ny Kintana Production. Ankoatra ny lafiny serasera, hisahana manokana io fifaninanana io ny ekipany, izay efa matihanina amin’ny fikarakarana hetsika iraisam-pirenena.
Raha tsiahivina kely, samy efa nisehatra teto Antananarivo i Dadju sy i Tayc. Na dia mitovitovy fironana amin’ny mozika aza, samy manana ny mampalaza azy ireto mpanakanto afrikanina misehatra any Frantsa ireto. Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy maneran-tany kosa ny niarahan’izy ireo nanatontosa ny “Heritage”, rakikira iombonana. Narahina andiam-pampisehoana avy hatrany izany, ka lany mialoha avokoa ny tapakilan’ny seho tao Frantsa. Anatin’ny fitetezam-pirenena indray izy ireo, ka anisan’ireo hisitraka izany ny mpankafy eto Madagasikara.
Zo ny Aina