SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio, eto Antananarivo, ny Poule des As, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra, sokajy D2. Hampiantrano izany ny kianja Elgeco Plus stadium sy ny eny Ambohidratrimo. Ekipa efatra no hiady lohany dia ny FC Theo Sava, AS Avenir Androy, AS Fos Analanjirofo ary ny FCA Ilakaka.
Hitohy amin’ny alahady 22 septambra ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fifanintsanana ho an’ny sokajy D2, vehivavy, taranja rugby. Hifanandrina amin’izany ny Fanja Anjanahary sy ny ekipan’ny Sab-Nam. Anisan’ny lalao hiady ihany koa ny fifandonan’ny UAS Cheminots sy ny FTVL Lalamaty.
Hotanterahina any Antsirabe, ny 27 ka hatramin’ ny 29 septambra 2024, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja tsipy kanetibe, sokajy olon-telo miaraka. Ireo mpilalao manana kara-pilalaovana ara-dalàna ihany no afaka handray anjara. Hahazo tapakila, hiatrehina fifaninanana atsy La Réunion izay mandrombaka izany.
Nafindra eto Antananarivo ny fifaninanam-
pirenena taranja handball, sokajy senior, lahy sy vavy, raha tokony hatao any Toamasina. Tsy nanome ny an­ton’ity famindrana toerana ity ny federasiona malagasy (FMHB). Hatao ny 20 ka hatramin’ny 26 oktobra izany. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2024), izay voalohany.

Partager sur: