TARATRY ny KANTO

Nitsidika ny Rovan’i Madagasikara ireo Loholona frantsay, avy amin’ny delegasionin’ny Antenimerandoholona frantsay, ao amin’ny vondrona “finamanana Frantsa-Madagasikara sy firenena aty amin’ny faritry ny Oseana Indianina”. Nahalala bebe kokoa ny tantaran’i Madagasikara, indrindra ireo mifamatotra amin’i Frantsa, izy ireo taorian’izay.
Erick Manana sy i Dama: Hisy seho eto Antananarivo amin’ny desambra. Tsy afaka tampoka i Dama raha tokony ho vahinin’i Erick Manana sy i Jenny, nandritra ny seho farany nandalovan’izy ireo teto Madagasikara, ny volana aogositra lasa teo. Ho setrin’ izany, mampanantena i Erick Manana fa hisy seho hataon’izy mirahalahy ranofotsiny, mialoha ny faran’ny taona.
Dinika an-databatra boribory indray no fandaharam-potoanan’ny “Festival Temps Fort Danse” amin’ ity anio ity. Eny amin’ny IFM Analakely no hanatontosana izany ary ny mahakasika ny dihy no lohahevitra horesahina mandritra izany. Tanjona amin’izany ny hitondra fanatsarana ho tombontsoan’ny fianakaviamben’ny dihy malagasy.
Anio, eny amin’ny Aft Andavamamba, no hanatontosana ny fampisehoana ny dihy “Embo”, iarahana amin’ny tarika Mnguni. Omaly moa no niantombohan’ny atrikasa fampahafantarana sy fampianarana izany dihy izany ary mbola hitohy rahampitso. Maro ny vondrona mpandihy liana tamin’ity karazan-dihy avy ao Afrika Atsimo ity tonga niatrika ny atrikasa.

Partager sur: